Tamin'ny 26 Novambra 2013, nanao hetsi-panoherana teo anoloan'ny Filankevitry ny Shoura ny vondrona “Tsy Misy Fitsarana Miaramila ho An'ny Sivily” ao Kairo, manohitra ny fepetra voalazan'ny Lalàm-panorenana vaovao mamela ny fitsarana miaramila ho an'ny sivily. Nanaparitaka an-keriny ny fihetsiketsehana ny Minisiteran'ny Atitany, noho ny lalàna vaovao momba ny fihetsiketsehana navoakan'ny governemanta 2 andro talohan'izay.
Efa niezaka nampiasa ny lalàna ny governemanta hanakanana ny fihetsiketsehana teo aloha. Teo ambany fitarihan'i Morsi, nandritra ny fifandonana tamin'ny 2012 Mohamed Mahmoud Street; tao Ittihadiyah; ary nandritra ny tsingerintaona faharoan'ny Revolisiona, ny governemantan'i Hisham Qandeel dia nanandrana namoaka lalàna iray hanakanana ny fihetsiketsehana. Saingy tsy nampangina ny Revolisiona, tsy lany ny lalàna; ary fantatsika rehetra ny vokany.
Na dia teo aloha aza dia efa niezaka nanao izany koa ny Filankevitra Ambonin’ny Foloalindahy. Vao nandray ny fahefana izy ireo dia nandany lalàna manameloka ny fihetsiketsehana sy ny fitokonana. Tsy nampanginina anefa ny Revolisiona, ary tsy afaka nampihatra ny lalàna indray ny mpitondra.
“Ny firenena demokratika, firenena te hahomby, dia tsy maintsy manana feo. Raha tsy izany dia miverina amin'ny taonan'ny fanandevozana isika,” hoy i Ghareb, mpiasa ao amin'ny Petrojet. “Nahoana no nisy Revolisiona? Inona no fitakiana azy, raha tsy mba hanana feo? Ny hahatsapantsika fa manana lanja sy fahamendrehana isika? Mba hahatsapantsika fa olombelona isika ka afaka miteny eny na tsia?”
Raha jerentsika ny 30 taona teo aloha, dia nitondra an'i Ejipta tamin'ny alalan'ny lalàna maika i Mubarak, izay nolaniana tamin'ny anaran'ny ady amin'ny fampihorohoroana, tahaka ny ezahin'i Al-Sisi hanamarina izany ankehitriny. Nanaisotra ny fampihorohoroana ve i Mubarak? Sarotra ny milaza izany, saingy nahavita nampiasa ny lalàna izy mba hanery antsika, ary nampiasa izany hanoherana ny fanoherana na ny fihetsiketsehana. Ary fantatsika fa ny fiafaran'ny fitondran'i Mubarak sy ny lalàny dia tonga rehefa nitsangana ny vahoaka.
Inona no tetik'izy ireo? Tsotra sady kinga. Ataovy heverin'ny olona fa tsikombakomba ny Revolisiona, nokarakarain'ny Mpirahalahy Miozolomana sy ny ankizy sasany diso lalana. Asao ny olona hanome anao didy hanaisotra ny Firahalahiana, izay tena nahatratra ny fahefana noho ny fiarahany tamin'ny tafika. Manambara ady amin'ny fampihorohoroana avy eo, esory tsirairay ny mpifaninana aminao, poteho izay rehetra manohitra anao. Mba hahatonga ny olona hiandany aminao, manamboara lalàna mifanaraka amin'ny tenanao.
Mazava ho azy fa tsy misy mankahala ny fanjakana tan-dalàna. Ny rafitra sy ny haino aman-jery dia mandeha hatrany amin'ny fanjakana tan-dalàna. Inona no nitranga tamin'ny fihetsiketsehana tamin'ny 27 Novambra tao amin'ny Filankevitry ny Shoura — inona no ifandraisan'izany amin'ny fanjakana tan-dalàna? Nikarakara fivoriana tsy nahazoana alalana avy amin'ny Minisiteran'ny Atitany ireo mpanao fihetsiketsehana, ary nijoro teo amin'ny sisin-dalana nitazona sora-baventy sy nihira. Nanao fampitandremana ny Minisiteran'ny Atitany, namely azy ireo tamin'ny fantson-drano, avy eo entona mandatsa-dranomaso, nikapoka azy ireo, nitaritarika azy ireo tamin'ny tany, nanao herisetra ara-nofo, nisambotra azy ireo, nitazona azy ireo tao amin'ny Filankevitry ny Shoura.
Saingy tsy niraharaha zavatra roa izany: nahitana vehivavy gadra 14 ireto gadra politika ireto, anisan'izany ireo mpikatroka malaza. Ary nivory tao anatin’ilay trano ny Antenimieram-panorenana. Rehefa nandre ny fisamborana ireo vehivavy mpikatroka ireo mpikambana ao aminy dia fantany fa ratsy ny endriny. Noho izany dia nampiato ny maha-mpikambana azy izy ireo mandra-pamotsorana ireo gadra politika. Nisy tabataba be. Atsasakadiny taty aoriana, nanome baiko ny hanafahana ireo vehivavy voafonja ny manam-pahefana. Ny nahagaga dia tsy nety navotsotra izy ireo.
Hoy ilay mpikatroka Salma: “Izaho no voalohany tonga tamin'ilay fihetsiketsehana, ary nijoro niaraka tamin'ny maro hafa. Mandra-pahafahana antsika rehetra dia miara-mientana isika rehetra. Tokony hitovy ny fiampangana azy ireo sy isika. Inona no fototra ara-dalàna, araka ny lalàm-panorenana, no tokony hitazonana azy ireo am-ponja, raha mbola afaka izahay? Izany no nahatonga ny fanjakana ho adala. Tsy nisy afa-tsy vahaolana tokana ny minisiteran’ny Atitany.
Nanohy ny teniny toy izao i Salma Said: “Nisy lehilahy iray nanao akanjo volontsôkôlà nandidy an’ireo olona nihazona anay, izay nanao akanjo sivily koa, mba hampiditra anay tao amin’ny kamiao mpitatitra ny polisy, tamin-kery. Nodarohan’izy ireo izahay, nodakany ary notaritariny tamin’ny tany. Natsipy tao anaty kamiao izahay ary nentiny nitsoaka tamin’ny 10 ora sy sasany alina. Inona no anton'ny fisamborana olona sasany, avy eo navotsotra, fa ny hafa kosa nosamborina ho gadra politika ary nomena gadra politika efatra andro, avy eo 30 andro? Indrindra fa i Amr 'Awad, ilay Mpampanoa lalàna izay nanadihady anay dia nanontany azy ireo ihany koa. Niharihary fa tsy teo am-pelatanany ny raharaha. Nisy didy avy any ambony nanao hoe: “'Ataovy izao, ataovy izao.
Tsy nangina ireo vehivavy mpanao fihetsiketsehana. Nankany amin’ny Fampanoavana izy ireo ny ampitson’iny. Tsy nety namaly ny fanontanian’ny mpampanoa lalàna momba ny fiampangana azy ireo ireo voafonja 24 mianadahy mandra-panokafan’izy ireo raharaha momba ny fampijaliana ireo voafonja tao amin’ny fonjan’ny polisy.
Mpikatroka Rasha Azab: “Mihatra amin'ny mpanohitra ny mpitondra ny lalàna. Raha ny marina, raha lazainao fa tsy fomban'ny hetsika sivilizasiona ny fihetsiketsehana, fa tsy misy dikany izany, dia tsy maintsy miverina any amin'ny tobiny ny jeneraly al-Sisi, satria tsy ho tonga eo amin'ny fitondrana mihitsy izy raha tsy nisy ny fihetsiketsehana tamin'ny 30 Jona.
Hoy i Salma: “Tsy misy ifandraisany amin'ny lalàna izany. Resaka politika io. Te-handrava ny herin'ny Revolisiona izy ireo. Natao ny lalàna mba hampitsaharana ny fihetsiketsehana, na ny an'ny Mpirahalahy Miozolomana na izay rehetra manohitra ny mpitondra ankehitriny.”
Eo ambanin'ny fanjakana tan-dalàna, ny mpampanoa lalàna dia tsy tokony hiandry ny baikon'ny antso an-tariby avy any ambony. Tsy tokony hitondra araka ny sitrapon’ny mpitondra ny mpitsara. Tsy tokony hanary ireo voafonja any an-tany efitra ny polisy. Tsy tokony hamboarina koa ny lalàna hanakanana hetsika ara-politika, fitokonan'ny mpiasa, mpanao fihetsiketsehana mitazona balaonina, hetsi-panoherana ataon'ny mpianatra ao amin'ny campus, fihetsiketsehana manohitra ny fitsarana miaramila, ary izany rehetra izany araka ny lalàna.